Tsotr'izao, 'Zay
Rédigé le Mer 26 Sep, 2007 16:37:50 
'lay foko izay tony dia tony tamin'iny
no efa nanambara izay tena tiany
voatonona tao ny anaranao
ka tsy miova izany
"hatramin'izao"
aho tsy mety mino
fa izaho sy ianao hifanadino
ka hizara ilay lalana nosantarana hatramin'
fa izaho sy ianao hifanadino
ka hizara ilay lalana nosantarana hatramin'
"iny"
masoandro iny na hilentika aza
iny volana iny na ho sarona aza
ho feno dia ho feno ny fiainako tontolo
rehefa ianao no eo anilako
iny volana iny na ho sarona aza
ho feno dia ho feno ny fiainako tontolo
rehefa ianao no eo anilako
...toa ho rakon-javona aman'erika
toa ho ratsy foana ny eritreritra
raha lavitra anao
raha toa ka tsy eo ianao
ka aza ilaozanao
inty aho hanjakao ekeko
"tsotr'izao"
toa ho ratsy foana ny eritreritra
raha lavitra anao
raha toa ka tsy eo ianao
ka aza ilaozanao
inty aho hanjakao ekeko
"tsotr'izao"
1 - posté par boboka le Mer 26 Sep, 2007 19:14:29
Milay be lay fitambaran'ny: "Averiko aminao", "Hatram'izao", "Ianao", "Tsotr'izao". Mba mpankafy Tarika 'Zay hiringiriny koa e
2 - posté par kakamboty le Mar 02 Oct, 2007 17:21:12
sôtr'é!