Ho malalanao, 'Zay
Rédigé le Mar 02 Oct, 2007 17:33:35 
toa vao haingana ihany no nahalalako anao
fotoana fohy ihany hatramin'izao...
na ny manodidina aza efa mananihany
indraindray toa mahatonga saina ihany
f'izay misy anao dia tiako hisy ahy
tsy mahafoy anao, marina izany
fa efa zatra anao, zatra miaraka aminao
efa zatra namanao
ka ny ho malalanao, io indray no mba iriako
dia ho malalako amin'izay no iantsoako anao...
'Zay
1 - posté par Smile le Jeu 04 Oct, 2007 11:22:12
ANTANIO AZY
Efa ela be mihitsy aho no tsy mba nahita intsony,
tsy nandre mihitsy izay mikasika azy
Fa hatr@'ilay adiady no tsy mba nifanena intsony.
Nefa mino aho f'izy zao mety efa tony
'zaho aty dia efa te ahita azy indray
Efa nanadino ireo adiadinay
Fa mba antanio azy kely
mbola ao ve ilay fitiavana
Fa mba antanio azy kely,
Efa adino ve ilay namana
Fa mba antanio azy kely,
Tsy mety intsony ve lay fiarahana f'izaho aty mbola te ho tantanana
2 - posté par kakamboty le Jeu 11 Oct, 2007 17:55:43
snif snif... nlay loatra le 'zay t@ lahady!